«Ezaka maro avy amin’ny olona maro no nahatrarana izao faha-33 taona izao sy ny fahombiazana rehetra, tao anatin’izany » hoy Ravatomanga Mamy. Mbola maro ny ezaka hitohizan’ny fahombiazana ho tombotsoan’ny Malagasy.
Tontosa omaly, teny amin’ ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina, ny lanonana fankalazana ny faha-33 taonan’ny Vondrona Sodiat. Hetsika maro samihafa no nentin’ ny fianakaviamben’ny vondrona, tarihin-dRavatomanga Mamy, filoha tale Jeneralin’ny vondrona Sodiat, nisaotra sy nankasitraka ireo niara-nisalahy taminy ka nahatrarana izao faha-33 taonan’ny vondrona izao. Olom-panjakana maro samihafa no tonga nanontrona izany lanonana izany. Raha tsiahivina, vondrona iray ahitana orinasa miantsehatra amin’ny seha-pihariana maro eto amintsika ny vondrona Sodiat.
Nifanome fotoana, niara-nankalaza ny faha-33 taonany, omaly ny vondrona Sodiat. Sehatra maro no efa iseharan’ ny vondrona Sodiat sy ivelarany ankehitriny. Ara-tantara, ny taona 1990 no niantombohany, ary ny sehatry ny fitanterana ny niaingana tamin’izany, araka ny nambaran-dRavatoamanga Mamy. Sehatra maro, izay anisan’ny avokavoka mamelona ny toekarena malagasy anefa no iseharany ankehitriny. Anisan’ izany ny fizahantany, ny fanafarana sy ny fanondranana, ny asa fanaovan-gazety, ny fahasalamana, ny fitanterana an-habakabaka… no iseharan’ny vondrona ankehitriny. Manodidina ny 4000 ny mpiasa mivelona sy manodina ny vondrona.
“Fahatokisana no ilaina fa tsy tahotra…”
Nisaotra sy nankasitraka ny mpiasa, ny mpiara-miasa, ary ny mpiara-miombon’antoka aminy ny talen’ny vondrona Sodiat, nandritra ny fankalazana ny faha-33 taonan’ny vondrona. “Fahatokisana no ilaina fa
tsy tahotra. Tsy voatery ho matahotra rehefa manaja. Ary tokony ho tohizana hatrany ny fifanajana nisy teo amin’ny vondrona hatramin’izay” hoy Ravatomanga Mamy. Niisa 270 ireo notolorana marim-boninahitra sy marim-pankasitrahana ary medaly. Nisy ihany koa ny tolotra manokana ho an’ny mpiasa ho fisaorana ireo mpiasa.
Lin