Mitohy hatrany ny hetsika karatany faobe ataon’ny fitondram-panjakana manerana ny Nosy. Nahazo ny anjarany ny ao amin’ny faritra Ankazobe, omaly. Hetsika notarihin’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany sy ny tetikasa “CASEF”. Karatany miisa 12 000 no nozaraina tany an-toerana vokatry ny hetsika karatany faobe (opération de certification foncière massive – OCFM). Nozaraina, nandritra izay, koa ny bokin-tany 282 vokatry ny “titra faobe” na opération domaniale concertée (ODOC). “Mitovy lenta tanteraka ny titra sy ny karatany”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, Holder Ramaholimasy. Notohizany fa zava-dehibe izao hetsika izao mba hahafahan’ny Malagasy iray manontolo misitraka tany. Tanjona, araka izany, ny hizarana karatany 5 tapitrisa hatramin’
ny taona 2028, hetsika izay tokony hitohy mandavantaona.
Tanjona
Vinan’ny fitondram-panjakana ny hizarana karatany 2 tapitrisa hatramin’ny faran’ny taona 2023. Maro ireo faritra sy distrika ary teratany malagasy efa nisitraka izany. Tafiditra ao anatin’ny karatany 95 000 zaraina eto amin’ny faritra Analamanga ireo karatany 12 000 voazara tao amin’ny distrikan’ Ankazobe, omaly, ireo. Fantatra, nandritra izay, fa manodidina ny 1 000 000 ny karatany efa voazara manerana ny Nosy.
Henintsoa H.