Nanomboka omaly, eny amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny fandefasana ireo horonantsary fanadihadiana, mifaninana ao anatin’ny «Ant’sary Doc Festival». Efa nisokatra tamin’ny alakamisy lasa teo ity hetsika lehibe ity. Hitohy rahampitso hatramin’ny alarobia izany fandefasana ny horonantsary mifaninana izany. “Mbola fanombohana ny amin’ity taona ity, tanjona ny hametraka ny horonantsary fanadihadiana amin’ny toerana sahaza azy sy hampiroborobo izany eto Madagasikara”, hoy Ramaroson Anatole, mpikarakara ny “Ant’sary Doc Festival”.
Horonantsary fanadihadina miisa 24, mizara ho sokajy telo, no haseho ny besinimaro eny amin’ny Tranompokonolona Analakely, nanomboka omaly io, haharitra hatramin’ny alarobia. Miisa 16 ho an’ny sokajy “Court métrage”, 6 ho an’ny sokajy “Long métrage” ary 2 ho an’ny sokajy “Expérience digitale”. Horonantsary novokarina mpanatontosa avy eto an-toerana sy avy any ivelany izy ireo. Gaspard Geoffrey sy Ary Misa Rakotobe ary Fifaliana Nantenaina sy Saranto Andrianavony no Malagasy mpanatontosa mifaninana ao anatin’izao «Ant’sary Doc Festival» izao. Ny takarivan’ny alakamisy no ahafantarana ny mpandresy ao anatin’ity “Ant’sary Doc Festival” andiany voalohany ity.
Lin