Big MJ : hivoaka ny volana oktobra ny rakikira vaovao

Manana ny maha izy azy, raha eo amin’ny sehatry ny mozika malagasy i Big MJ. Mitohy hatrany ny fanomezana fahafaham-po ny mpankafy amin’ny vokatra vaovao. Tsy hijanona hatreo fa hisy ny vokatra ho an’ny tontolon’ny mozika iray manontolo.

Hamoaka ny rakikira, izay ampitondraina ny lohateny hoe «Merci» i Big MJ, ny 20 oktobra 2023. Araka ny nambarany, rakikira farany havoakany ity. Tsy hisy intsony, araka izany, ny rakikira hivoaka aorian’izao. Mbola hitohy hatrany kosa anefa ny famoronan-kira sy ny mozika. Ahitana hira 25 mandrafitra ity rakikira ity, dimy hira taloha nohavaozina, folo hira niarahana tamin’ireo mpanakanto namany, ary folo hira hirainy samirery. Lanonam-be, iarahana amin’ny Malagasy mpahay kanto maro samihafa, no entina mamoaka izay vokatra izany. “Efa roapolo taona nihirana aho izao, ary efa manodidina ny roa ambiny folo eo, ny rakikira navoaka”, hoy i Big MJ. Ankoatra izay, nanambara ity mpahay kanto ity fa manana vina ny hiantsehatra bebe kokoa eo amin’ny mozika malagasy sy ny sehatry ny fandraharahana izy.
“Merci”, “Nosafidiana ma­nokana izany teny izany entina misaotra ny rehetra, tsy ankanavaka, hatramin’izay sy amin’ny maha rakikira farany azy”, hoy hatrany i Big MJ.
Hahazo ny anjarany ny mozika malagasy

Araka ny nambaran’ity Malagasy mpahay kanto ity, maro ny vina eo amin’ny sehatry ny mozika, ary misy amin’izany ny efa eo andalam-pahatanterahina mihitsy. Anisan’izany ny fananganana ny “Big Sound Studio”. Trano fandraisana sy fikirakirana feo, efa andalam-panamboarana eny Ivato. “Vina amin’io fotodrafitrasa io ny ho trano fandraisana sy fikirakirana feo lehibe indrindra eto Madaga­sikara, tsy mena-mitahy amin’ ny any ivelany, ary hampisongadina antsika Malagasy ny kalitaon’ny vokatra mivoaka avy ao,” hoy izy namarana ny teniny.

Lin

Partager sur: