Dadabe 60 taona voasambotra : mpamaky trano gagilahy!

Tsy mifidy taona ny fanaovan-dratsy. Lehilahy lehibe, efa 60 taona no voasambotry ny polisy teo ampihaniahana tamboho. Ikoizana amin’ny famakiana trano izy.

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo Am­bony teny Saropody, omaly tamin’ny 5 ora maraina, ny jiolahy raindahiny. Nikasa hamaky tranon’olona sy hangalatra izy no tra-tehaka tampoka. Tsikaritry ny mpiray vodirindrina ny fisiana rangahibe iray, 60 taona, mihanika tamboho amina tranon’olona iray eo akaikiny. Nampilaza tamin’ny polisy momba ity trangan-javatra ity avy hatrany ireo olona teo amin’ny manodidina. Tsy nieritreritra rahateo ity Dadabe ity fa hoe hisy hahita izy nihanika tamboho io. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny polisy miasa ao amin’ny CSP2. Voamarina tokoa ny fisian’ity rangahibe ity nikasa hamaky trano ity. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy, tratra teo an-tokotanin’ilay trano izy. Tsy nahahetsika izy ka noraisim-potsiny. Hita tany aminy, nandritra ny fisavana nataon’ny polisy, ny jiro fanao am-paosy sy “pince coupante”. Araka ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny polisy azy, nikasa hangalatra tao amin’ity tokantrano ity izy. Noheverina fa mbola matory ny olona teo an-tanàna ka tsy hahita azy hihoatra ny tamboho. Niaiky ny heloka vitany izy. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy mba hanaovana fanadihadiana izy. Nilaza fa efa fanaony ny mamaky tranon’olona toy izao. Miovaova toerana izy rehefa manao ny asa ratsiny. Efa misy kosa ireo olona mandray ny entana halatra.

J.C

Partager sur: