Amboamboarina ery ny fomba fiteny, ny fihetsika, ny fijoro… Sao tsy maharesy lahatra, hono. Efa taranja ianarana any an-tsekoly, rahateo, ny fomba fiatrehina sy firesahina aman’olona. Tsy takon’afenina fa voasarik’io zava-baovao io tokoa ny Malagasy, indrindra fa ny tanora. Nanjary nanadino ny voajanahary (fomba fiteny sy firesaka, fihetsika, fijoro…). Tazana avy hatrany ilay fihetsika baikoin’ny fanaovana tsianjery sy rakotra fihatsarambelatsihy. Tsiky amboarina sy tefitefena. Feo angolangolaina tsy amin’antony. Ny fihetsika hanaovana ezaka be vao vita eo imason’ny hafa, sns.
Tsy hita intsony ilay «fanahy» miresaka. Io anefa no tena voajanahary amin’ny Malagasy. Tsy nanome lanja na vahana ny endrika ivelany ny Malagasy, fa nikajy fatratra ny fanahy ao anatiny, hany ka nifankahazo tsara. Ny maso mifampijery fotsiny dia ampy nahalalan’ny ray aman-dreny ny momba sy ny manjo ny zanany. Tahaka izany ihany koa ny eny anivon’ny fiarahamonina rehetra.
Ankehitriny, sady mpisandoka raindahiny no mpisoloky tapitrohatra Ramalagasy, satria, tsy azy akory ny fomba fiteny na fihetsika, sns, hoentiny miaina fa saika natao dika mitovy tamin’ny an’ny vahiny ny ankamaroany. Manomboka mahazo faka eo amin’ny Malagasy, anefa, io tranga io, hany ka ny tsy mahay azy indray no lazaina fa tratra aoriana, tsy mahalala fomba… Fa angaha moa ny Malagasy «fotsy fanahy» (fihetsika ivelany no hoentina hambaboana) rehefa miresaka ? Tsia ! Noho izany, tsy fomba malagasy io.
Raha sanatria ka mitohy ny fisandohana zava-bahiny (fomba fiteny, fihetsika…), ataon’ny Malagasy, ho lasa «vahiny» eto amin’ny taniny ny Malagasy !
HaRy Razafindrakoto