FANTINA sy FINTINA

Nangataka alalana any amin’ny prefektiora ny vondron’ireo kandidà 11, hiatrika ny fifidianana. Hamory ireo mpiara-dia aminy etsy amin’ny “Palais des Sports” Mahamasina izy ireo, ny zoma ho avy izao. Hitondra fanazavana momba ny fiainam-pirenena, indrindra ny fiatrehana fifidianana. Andrasana ny valin’izany fangatahana famoriam-bahoaka izany.

Mikasa hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta indray ireo depiote 50 mahery, miara-dia amin’ireo kandidà 11, amin’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena. Efa nambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) anefa fa tsy azo atao ny manao fitsipaham-pitokisana ny governemanta ifarimbonana.

Namory ny Emmo/Far Antsiranana, ny herinandro teo, ny Praiminisitra Ntsay Christian. Voaresaka ny tombana momba ny fitandroana ny filaminana any amin’izany faritany izany, indrindra ny eo an-tampon-tanànan’Antsiranana. Noraisina ireo fepetra samihafa sy ny fanamafisana ny paikady ho an’ny fandriampahalemana.

Partager sur: