Fary sy siramamy: ambany ny taham-pamokarana eto Madagasikara

Mifampiankina amin’ny fambolena fary ny famokarana siramamy eto amintsika. Seha-pihariana mbola malalaka sy azo itadiavana lalam-barotra ary ahitam-bokatra maro ny siramamy.

Mbola ambany ny taham-pamokarana siramamy eto amintsika noho ireo fepetra maro samihafa takina amin’ny fambolena fary sy ny famokarana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny foibe malagasy momba ny fary sy siramamy (CMCS), Rakotonoely Tantely. Ny taona 2022-2023, nahatratra 161 784,33 t ny fanjifana ny siramamy eto Mada­ga­sikara, raha 91 570 t kosa ny famokarana. Ambany ihany koa ny fanondranana nandritra ireo taona ireo noho izy 4008,06 t monja, raha tafakatra hatrany amin’ny 74 222,39 t kosa ny vokatra nafarana. Se­hatr’asa mbola malalaka ny famokarana siramamy noho isika manafatra siramamy ha­trany amin’ny 120 000 t isan-taona. Siramamy nafarana avokoa ny 70%-n’ny siramamy hita eny amin’ny tsena anatiny raha 30% monja ireo vokarina eto an-toerana. Mety amin’ny toerana rehetra saingy mitaky velaran-tany midadasika ny fambolena fary. Eo amin’ny lafiny ara-indostrialy, tokony hanana haavo 500 metatra miala ny ranomasina ny fary. Mila hazavana sy hafanana ary rano koa izy, antony mahatonga ny fambolena azy any amoron-tsiraka.

Fitandremana
Misy ny fepetra tokony harahina amin’ny fambolena fary noho izy tsy maintsy ahodina avy hatrany. Mila maripana eo anelanelan’ny 26°C ka hatramin’ny 33° C ny fitsimohany raha manodidina ny 28 °C ka hatramin’ny 35°C kosa ny fitomboany. Ankoatra izay, mitaky ranonorana manodidina ny 1500 ka hatramin’ny 1800mm ny fary. Mila alahatra tsirairay mifanaraka na tsiroaroa mifandipatra ny botira ary totofana tany manify. Totofana tany tsy mihoatra ny 5 santimetatra izany amin’ny andro mafana raha 10 santimetatra kosa amin’ny andro mangatsiaka. Manodidina ny 7-10sm kosa ny hatevin’ny tany atototra ny botira raha mamboly azy amin’ny maintany.

Henintsoa Hani

Partager sur: