Samy afa-po na ireo mpandray anjara na ireo mpitsidika ny tsenabe iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (FIA), natao teny amin’ny Parcs des expos, Forello, Tanjombato, ny alakamisy ka hatramin’ny alahady teo. “Tratra ny tanjona, nihoatra ny 18 000 ireo tonga nitsidika teny an-toerana nandritra ny efatr’andro nanaovana ny hetsika”, hoy ny mpikarakara. Anto-pisian’ireo mpandray anjara ny hetsika toy izao noho izy hanaovana varotra fampirantiana ny vokatra ataony. Tanjony rahateo ny ahita lalam-barotra sy mpanjifa vaovao mandritra ny hetsika FIA , hoy hatrany ny fanazavana voaray. Samy nampiranty ireo vokatra vitany avokoa ireo tantsaha avy amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy. Lafo avokoa ny ankabeazan’ireo vokatra namidy ka nisy mihitsy ireo tsy nanana entana intsony ny sabotsy teo. Niavaka ny hetsika tamin’ity FIA andiany fahadimy ity noho izy nahafahan’ireo orinasa madinika sy vaventy ary tantsaha nampiseho ny fahaiza-manaony. Nahazo tombontsoan’ny ihany koa ireo tanora mpianatra avy eny amin’ny oniversiten’i Vontovorona rehefa naneho ny tetikasany sy ny fahavononany hiara-hiasa amin’ireo sehatra samihafa. Toy izany koa ireo avy ao amin’ny “observatoire de la jeunesse”.
Hatsaraina
Teboka iray mila jerena ny resaka famatsiam-bola avy amin’ny banky ho an’ny tantsaha mpamokatra. Voaresaka nandritra izay ny tsy fahafahan’ny tantsaha mamerim-bola ao anatin’ny 12 volana amina tahan’ny zanabola ambony. Ao koa ny tohana tokony homen’ny fanjakana ho an’ny tantsaha. Tsiahivina fa mihoatra ny 400 ny mpandray anjara nandritra ny hetsika FIA 2023 andiany fahadimy.
Henintsoa H.