Nahoraka tato anatin’ny andro vitsy ny fangatahana fanemorana fifidianana, rehefa tsy nahomby ny fivoizana ilay resaka korontana. Mbola misy vondron’olona tsy fanta-piaviana izany mivoy rahateo ny fidinana an-dalambe. Samy mampiaka-peo eny amin’ny tambajotram-pifandraisana. Sanatrian-dresaka ny manome tsiny, fa ireo mivoy ho mpisoroka ny korontana no mamboly korontana.
Mibaribary ny fitadiavana tombontsoan’ny tena manokana ho an’ny hafa. Fankahalana an-kitsirano ny mpitondra sy valifaty no kinendrin’ny sasany. Mahavalalanina ny mahita ireo fanehoan-kevitra sadasada, tsy mitondra fitoniana. Mahavariana fa ilay samy Malagasy mitady hirika hanimbana ilay taninjanaka lazaina fa tiana sy imatimatesana.
Miharihary toy ny vay an-kandrina, tsy tian’ny vahiny, izay zatra mibaiko sy maneritery ny fikirizan’i Madagasikara mba hanana izany fahaleovantenany izany. Raha mifikitra sy mitazona ny teny nomena ilay Malagasy dia ampiadiana an-trano mivantana na ankolaka. Mazava ny lojika tian’izy ireo apetraka eto. Izay rindra sy kajikajin’ny vahiny no mila tanterahina.
Hanaiky izany ve ny vahoaka izay miaritra ny krizy sosialy lavareny, izay mila vahaolana? Tsy misy mankasitraka izay Tetezamita izay ny sarambabem-bahoaka. Mila fifidianana vita ny rehetra. Mahamenatra sy mampanongo tena ny fisian’andian’olona mivoy hatramin’ny resa-poko sy fiaviana, hoenti-mandrangitra olona. Tsy ny fitiavan-tenan’olom-bitsy lalaovin’ny vahiny kosa no hanaovana sorona ny tombontsoa iombonan’ny Malagasy tsivakivolo !
Mila manokatra masom-panahy ny vahoaka tsimandadiharona. Mila mijoro ho mpanome lesona ireto mpanao politika saribakolim-bazaha ireto ny rehetra. Tsy misy tokony hanaiky afa-tsy ny fifidianana. Mila mijoro, miaro ny fiandrianam-pirenena!
r.r