Navondrona amin’ny toerana iray anaty tranoheva eny amin’ny tokotanin’ny orinasa Orange ny fandaharanasa sosialy rehetra (village solidaire) ho fanampiana ny mpiara-belona sahanin’ny Orange solidarité Madagasikara. Tao anatin’ny 10 taona, nanohana ny fanabeazana izy ireo ary nampiroborobo ny fanabeazana nomerika mampivoatra ny fomba fampitana fahalalana any an-dakilasy.
Nizarana «tablette» ny sekoly 240 mampihatra ny fanabeazana nomerika miaraka amin’ny fandaharam-pianarana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena efa voarakitra ao anatiny. Nofanina mialoha ny mpanabe hikirakira ny fitaovana izay misarika kokoa ny mpianatra ka 400 000 ireo nahazo
tombontsoa mivantana hatramin’izao. Firenena iray amin’ireo 27 hiasan’ny Fondation Orange i Madagasikara izay efa nanohana ny sosialy tao anatin’ny 35 taona, hoy ny déléguée générale ny «Fondation Orange», Françoise Cosson, omaly, teny Ankorondrano.
Mifototra amin’ny fanabeazana, fahasalamana, fanohanana ny vehivavy hahaleo tena ary fanampiana ny tanora hikarokaroka no tanjon’ny fandaharanasa maro tanterahana eto amintsika.
Nandray anjara tamin’ny hairanty koa ny mpiray ombon’antoka 30 manohana ny «Fondation Orange» : Unicef, Unfpa, sns.
Nisy rahateo ny clinique mobile nahazoan’ny vehivavy nitily ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, afaka nanao vaksiny ny ankizy madinika teny amin’ny village solidaire.
Vonjy