Namoy ny ainy matin’ny dahalo ny tompon’omby iray nanara-dia dahalo tao Ihosy, ny faran’ny herinandro teo. Dahalo fito voatifitra ary am-polony naratra.
Dahalo fito maty nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary tao amin’ny fokontany Tanandava Malio, distrikan’ Ihosy, ny sabotsy hifoha ny alahady 24 septambra teo. Nangalatra omby 73 tao amin’io fokontany io ny dahalo 20 mahery ny sabotsy tolakandro. Nandositra avy hatrany izy ireo. Nampandre ny mpitandro filaminana ny fokonolona. Raikitra ny fanarahan-dia. Tsy lasa alavitra, nifampitifitra tamin’ny mpanara-dia avy hatrany ireo mpangalatra omby. “Nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro hatramin’ny 8 ora alina ny fifandonana”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Ihosy, Kapiteny Velotsaotsy Innocent Judicael. Vokany, voatifitra ny dahalo iray. Noheverin’ny tompon’omby iray nanao ny fanarahan-dia fa maty io olon-dratsy io ka nohatonony. “Niafina tao anaty lavaka anefa ilay dahalo naratra ary namono ilay tompon’omby”, hoy ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra ao an-toerana.
Tetsy ankilany, navelan’ireo dahalo ny omby am-polony nangalariny. Nandritra ny fifandonana nivantana tamin’ny mpitandro filaminana, rotiky ny bala ny fito tamin’ireo dahalo. “Am-polony tamin’izy ireo koa naratra ary mitohy ny fikarohana”, hoy ny zandary. Efa naverina amin’ny tompony kosa ireo omby rehetra nokasain’ny dahalo hoentina an-keriny. Nanamafy ny zandary ao an-toerana fa mitohy hatrany ny hazalambo atao amin’ireo dahalo mpangalatra omby.
Tsiferana R.