INDRAY MIJERY

Nambaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa mahatratra 4 tapitrisa mahery ny mpianatra nisitraka ny fizarana kahie hampiasan’ny mpianatra amin’ity taom-pianarana 2023-2024 ity. Ho fanampiana ny ray aman-dreny amin’ny vola lany hividianana fitaovana no tanjona.

27 taona no nijoroan’ny Association des chercheurs enseignants (ACE) izay mampivondrona ny mpikaroka mpampianatra sy izay liana amin’ny fampiroboroboana ny fikarohana. Vina mandritra ny fotoam-piasana (2023-2026) ny “Mpikaroka mpampianatra : loharanon’ny fahalalàna sy ny fahaiza-manao ary ny fahaiza-miaina ho fampandrosoana an’i Madagasikara”.

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny akany Tsarahonenana ao AmbositraII, faritra Amoron’i Mania. Akany mitaiza ireo olona mikorontan-tsaina noho ny antony maro ity nasiana fanitarana ity. Miisa 30 mianadahy ireo olona manaraka fitsaboana ao ankehitriny. Ny Fid no niandraikitra ny fanitarana nahazoana efitrano 6.

Notanterahina tany Toamasina, omaly, ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny farmasianina. Diabe fanehoana firaisankina no nisantarana izany. Andron’ny holafitry ny farmasianina kosa no hanohizana ny hetsika anio sy rahampitso hanaovana ny tomban’ezaka sy fifampizarana traikefa eo amin’ny samy mpisehatra amin’ny fivarotana fanafody.

Partager sur: