Judo-« Tournoi de Venelle » : laharana fahadimy ny Diaspora malagasy

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Venelle Fran­tsa, ny fifaninanana “Tournoi International de Venelle” isam-bondrona, taranja Judo. Nandray anjara tamin’izany ny Diaspora malagasy, sokajy lehilahy. Raha ny vokatra, teo amin’ny laharana fahadimy no nisy azy efatra mirahalahy, rehefa raraka teo amin’ny ampahefa-dalana. Azo lazaina ho tsara ny fanombohana ho an’ny ekipa malagasy satria fandresena indroa nisesy avy hatrany no azon’izy ireo, nanoloana ny Team Afrika sy ny Balma Toulouse 2. Tsy nahatohitra ny ekipan’ny Venelle izay ekipa tompondakan’ny fifaninanana. Na teo aza io faharesena iray io, tafakatra ampahefa-dalana ihany ny ekipa malagasy satria tafapetraka teo amin’ny laharana faharoa tao amin’ny vondrona nisy azy. Teo kosa no tsy nahatohitra ny Rodez, ekipan’ny Frantsa « 2e division » ka tapitra hatreo ny lalana ho an’ny Malagasy. Niady dia niady ity ampahefa-dalana ity, 3-2 no nandresen’i Frantsa ny ekipa malagasy.
Tsiahivina fa Judokas kalaza sy manana ny maha izy azy, Rasoanaivo Razafy Laura sy Ratsimiziva Fetra no mpanazatra nanaraka akaiky ity ekipa malagasy niatrika ny “Tournoi International de Venelle par équipe” ity.
Mbola hisy ny fifaninanana hatrehin’ireo Diaspora Mala­gasy ireo, amin’ny 25 novambra izao, ka ny sokajy Vétérans no hiatrika izany. Manao antso avo, amin’izao fotoana izao, ny diaspora malagasy, ho an’ny Judokas malagasy maniry handray anjara amin’io fifaninanana io.

Mi.Raz

Partager sur: