Hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Antehiroka. Fanalam-baraka nataon’ny lefitra voalohany no anton’izany.
Nanao fanambarana ny lefitra voalohany eo anivon’ny kaominana, tamin’ ny herinandro lasa teo. “Terena hanao sonia taratasy hosoka izay tsy manaraka ny lalàna ny tenany, ary milaza fa vavolom-belona tamin’ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny ben’ny Tanàna izy. Nataony izay nanesorana ahy mba ahafahany manohy ny tsy fanarahan-dalàna ataony”, hoy izy. Niteraka resabe teo anivon’ny kaominina sy ny haino aman-jery ary tamin’ny tambajotran-tserasera ny fanambarana nataony. Manoloana izany, namaly ny ben’ny Tanàna, Lalaina Vatosoa, omaly. “Fanosoram-potaka sy fanalam-baraka avokoa izany. Tsy hilefitra ny tenako amin’ny maha ben’ny Tanàna, olom-boafidy ahy, fa sady afa-baraka ny kaominina, eo koa, ny tenako amin’ny maha olombelona. Tsy marina ihany koa ny fanerena azy hanao sonia, afaka manao izany ny tenako fa tsy voatery hiandry olon-kafa, efa manan-kery ny taratasy voasoniako”, hoy ny fanazavany. Tsy mitombina ny tsy fandraisany ny tambin-karama nandritra ny 19 volana. Misy taratasy mazava ary efa nandeha eny anivon’ny banky ny karamany, hoy hatrany i Lalaina Vatosoa, ben’ny Tanànan’ny kaomina Antehiroka.
Natsahatra tamin’ny asany
Ny talata 12 septambra lasa teo, natsahatry ny ben’ny Tanàna tamin’ny asany ity lefitra voalohany ao amin’ny kaominina Antehiroka ity. “Araka ny lalàna lah-2014-20 andininy 114, afaka manendry na manala ny lefitra voalohany na faharoa ny ben’ny Tanana”, hoy i Lalaina Vatosoa. Tsy ilana fanapahana avy amin’ny minisitera na tribonaly. Efa kajikajy politika ny an’ity lefitra voalohany ity izay mikendry ny hitantana ny kaominina, raha ny voalazan’ny ben’ny Tanàna hatrany.
Fanou