Taorian’ny antsapaka natao ny 14 septambra lasa teo mahakasika ny “Cosafa Women’s Cup”. Efa miditra amin’ny fandraisana andraikitra hiatrehana izany ny kaomisionina ny baolina kitra vehivavy eto amintsika.
Afaka sivy andro, hotanterahina any Afrika Atsimo, ny 4 hatramin’ny 15 oktobra ho avy izao ny fifaninanana «Cosafa Women’ s Cup », taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Ho fiatrehana izany, natomboka omaly 25 septambra teny amin’ny ivontoerana teknika nasionaly, Carion ny fampivondronana ny ekipam-pirenena malagasy. Araka ny vaovao voaray, miisa 23 ireo malagasy vehivavy mpilalao mandrafitra ny Barea, miatrika izany. Tsy misy mpilalao niova tao anatin’ny lisitra, fa ireo voatazona tany am-piandohana ihany no manao izany.
“Ny resaka fanamafisana ny teknika izay efa natao hatramin’izay aloha no hatao satria efa akaiky ny fotoana”, hoy i Théodore Béatrice, mpanazatra ny vehivavy Barea.
Ny 1 oktobra ho avy izao ny delegasiona malagasy no ho any Afrika Atsimo. Araka ny fanazavana azo tamin’ Andriatsimialona Sandrine Michelà, filohan’ny baolina kitra, vehivavy, eo anivon’ny Federasiona malagasy (FMF).
Tsiahivina fa miisa 12 ireo firenena mandray anjara amin’ity “Cosafa” ity. Nozaraina anaty sokajy telo, A, B, C izy ireo. Ao amin’ny vondrona A ny ekipa nasionaly malagasy. Hifandimby hihaona amintsika ao i Afrika Atsimo, mpampiantrano, Malawi, Eswatini.
Marihina fa saika notontosaina ny 23 aogositra- 3 septambra lasa teo ity lalao ity, saingy nahemotry ny teo anivon’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) izany.
Fitia
Ireo vondrona telo amin’ity “Cosafa Women’s 2023” ity
Vondrona A :
Afrika Atsimo, Malawi, Madagascar, Eswatini
Vondrona B :
Zambie, Mozambique, Angola, Comores
Vondrona C :
Namibie, Botswana, Zimbabwe, Lesotho