Kolonely Damasy Gervais: laharam-pahamehan’ny ACM ny antoka sy ny aroloza

Voatendry ho tale jeneraly (DG) ny Antokon-draharaha mi­­sahana ny fitaterana ana habakabaka ho an’ny sivily (ACM), ny kolonely Damasy Gervais, ny volana febroary 2023 teo. Nambarany fa tao anatin’izay enim-bolana izay, anisan’ny fa­namby napetraka ny hanaovana laharam-pahamehana ny fa­metrahana antoka ny fitaterana ana habakabaka, miampy ny fanatsarana ny aroloza. Eo koa ny fanatsarana ny lafiny sosialy ao anivon’ny ACM.
Manaraka ny fenitra apetraky ny Fikambanana iraisam-pirenena mikasika ny fifamoivoizana ana habakabaka (OACI) ny ACM. « Anisan’ny ezaka ataon’ny ACM ny fanomezana mari-pamantarana hanana ny fenitra iraisam-pirenena ireo seranam-piaramanidina any amin’ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Vao nahazo izany farany teo ny any Sainte-Marie sy Toliara. Ho avy koa ny any Antsiranana, miampy ny tanàn-dehibe hafa », hoy izy.

Lafiny ara-bola

Nisy disadisa tao anivon’ny ACM, fotoana vitsy lasa izay. Nohazavain’ny kolonely Dama­sy Gervais, fa anisan’ny nahatonga izany ny tsy nisian’ny mpikambana tao anaty filankevi-pitantanana tokony ho nanapaka ny tetibola, nandritra ny volana maromaro. Efa mivaha izany ankehitriny, ary mitohy araka ny tokony ho izy ny fampandehanan-draharaha.

Njaka A.

Partager sur: