Mahanoro : ratsy ny làlana RN 11 A

Mateti-pitranga ny halatra moto ao Toamasina. Tsy hita mihitsy ny hiafaran’izy ireny. Manamafy izany ny fahatrarana moto very, hita tany Mananjary sy Taolagnaro. Vokany, nandritra ny fanadihadiana natao teny amin’ny seranan-tsam­bon’ny Lakandranon’i Pangalana tao Mahanoro no nahalalana fa tsy misy fanaraha-maso ny entana haondrana. Eo koa ny entana mivoaka eo amin’ny seranan-tsambo. Tsy vitan’
izay fa zara raha ahitana mpiasa miasa ny birao lehibe misahana ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy ao Mahanoro. Ankilany kosa, efa tsy mahatonga na mitatitra entana any Mahanoro ireo kamiaobe mpitatitra avy any Antananarivo sy Toamasina. Antony, noho ny haran­tsian’ny lalam-pirenena faha-11A. Voatery mampidina ireo entana tokony ho any Mahanoro ao Vatomandry ny mpitatitra sy mpanangom-bokatra. Eo indray no raisin’ny lakana mandeha motera mampiasa ny lakandranon’i Pangalana izany. Raha tsorina, mora kokoa ny saran’entana manaraka ny Lakandranon’i Pangalana noho ny manaraka lalam-pirenena raha ho any atsimon’ny Nosy.

Sajo

Partager sur: