Mpiadina mendrika tamin’ny CEPE 2023 : notoloran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fanomezana

Tsy nanadino ireo mpianatra nisongadina ka nahazo salanisa ambony indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Toy ny efa fanaon’ny kaominina isan-taona, no­tanterahina omaly, tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fiarahabana sy ny fankasitrahana ireo ankizy mendrika indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE 2022-2023 teo anivon’ny boriborintany enina eto an-dRe­nivohitra. Notoloran’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo renivohitra, Andriantsitohaina Naina mari-pankasitrahana sy fitaovam-pianarana izy ireo. Ankoatra izay, misy mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra ihany koa hitondra ireo ankizy ireo hitsidika ny «Gallery Hakanto Ankadim­bahoaka», afaka hiaraka hiala hetaheta sy hilalao avokoa izy ireo.
Ankizy mpianatry ny EPP nanana ny naoty ambony indrindra miisa 10 isaky ny boriborintany no noraisana tamin’izany sy nizarana fanomezana handrisihina amin’ny fanohizana fianarana. Mari­hana fa manana ny naoty 16.2/20 hatramin’ny 19.2/20 ireo ankizy ireo ary mpiadina avy ao amin’ny EPP Andre­fan’Ambohijanahary no nahazo ny naoty tsara indrindra manerana ny EPP rehetra anatin’ny boriborintany.
Ilaina ny hetsika tahaka izao hahatsapan’ny mpianatra fa misy vokatsoa ny ezaka natao nandritra ny taom-pianarana. Vinan’ny ben’ny Ta­nàna rahateo ny hanohana ny fanabeazana eny amin’ny sekolim-panjakana mandray ireo zana-bahoaka anatin’ny kaominina hiadidiany.

Vonjy

Partager sur: