Araka ny tapaka teo anivon’ny Malagasy rugby, hiroso amin’ny fifidianana ny filohan’ireo seksiona telo tsy mbola nahatontosa ny azy, ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Raha tsiahivina, tsy mbola nahatontosa izany Atsimondrano sy Avaradrano ary Antananarivo Renivohitra. Ho fanomanana izany, hisy ny fanazavan-kevitra hataon’ny Ceni foibe ho an’ireo mpifidy sy izay ho kandidà, ny zoma 29 septambra ho avy izao, eny amin’ny ivontoeram-piofanana Andohatapenaka.
Eo no hamaritana ny daty hanatontosana ny fifidianana sy ny toerana. Ny olona manan-jo ka afaka mandatsa-bato ary koa handrafetana ny lalam-pifidianana sy ny pitsopitsony samihafa. Tsiahivina fa efa nahavita ny azy, ny seksiona Andrefan’Iarivo sy ny an’i Vakiniadiana. Raha tsy misy ny fiovana hatao ny tapatapaky ny volana oktobra, ireo fifidianana ireo. Miditra avy hatrany amin’ireo ligy manerana an’i Madagasikara kosa aorian’izay. Tokony efa misy mpitantana avokoa ny seksiona sy ny ligy rehetra amin’ny volana novambra.
Tompondaka