« Lalaon-tsaina Echecs ». Natao ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny CGM Analakely, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Echecs, sokajy Vétérans sy vehivavy. Tafiditra anatin’ny politikan’ny federasiona izao ho fanomezan-danja ny sokajy rehetra. Mpilalao Echecs nisongadina teo amin’ny vehivavy Rakotomaharo Faratiana, izay nahazo fandresena.
Araka ny vaovao navoakan’ny Malagasy Rugby omaly, ny fihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny USCAR, ekipan’ny Kaominina Antananarivo, no hanokatra ny manasa-dalana voalohany. Tsiahivina fa amin’ny 1 ora tolakandro, hanombohan’ity fihaonana ity raha toa ka aorian’io, hiakatra kianja ny COSFA miaramila sy ny 3FB, ekipan’ny Fahasalamana.
Taorian’ny faheresen’ny Real Madrid, manoloana ny Athletico de Madrid, samy klioba Espaniola, 3 no ho 1. Lasa eo amin’ny laharana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne ny Barcelone FC. Marihina fa tompondaka farany tamin’ny taona 2022, ny Barça.
Lavon’i Paris Saint Germain (PSG), tamin’ny isa 4 no ho 0 ny ekipan’ny Olympique de Marseille (OM), ny alahady lasa teo. Amin’izao fotoana izao, hita fa manantombo lavitra ny PSG raha ampitahana amin’ny OM, nandritra ity « Classico » frantsay ity. Tsara ny mampahafantatra fa manomboka mitady mpanazatra vaovao ny OM ankehitriny.