TSELATRA

Mpangarom-paosy iray saika matin’ny fitsaram-bahoaka teny Anosibe, omaly. Mpandalo teny an-toerana no lasibatra. Nikasa hitsoaka io olon-dratsy io kinanjo nosamborin’ny fokonolona. Raikitra ny daroka. Niditra an-tsehatra nandamina ny nanatri-maso sasany ka nentina nihazo ny mpitandro filaminana io mpangarom-paosy tratra io.

Taolan-dava 12 lasan’ny mpangalatra tao amin’ny fasana iray anatin’ny fokontany Bemasoandro, kaominina Ampanotokana, ny faran’ny herinandro teo. Nakorontan’ireo tsy valahara ny tao anaty fasana. Mpandroaka omby sendra nandalo no nahatsikarika ny zava-nisy ary nampandre ny fokonolona manodidina.

Nitsoaka saran-dalàna taksiborosy ny raim-pianakaviana iray tao Ilakaka, ny faran’ny herinandro teo. Niala teto Antananarivo, nikasa hihazo an’i Sakaraha io lehilahy io. Handoa ny saran-dalàna izy rehefa tonga any an-toerana. Nivoaka nisakafo ny mpandeha tao anaty fiara tao Ilakaka ka nitsoaka tamin’io fotoana io izy.

Notafihan’ny dahalo ny tanàna ka lasa ny omby miisa telo tao amin’ny fokontany Ambatolahisoa, kaominina Andranomiady, distrikan’i Faratsiho, ny alahady teo. Niditra an-tanàna ny dahalo ny maraina tamin’ny 3 ora. Norobainy tamin’izany ny omby ka nitsoaka nandositra izy ireo. Nanara-dia ny fokonolona saingy tsy nahitam-bokany.

Partager sur: