Ambohimangakely : mpampianatra tratra namaky trano

Hatolotra ny fampanoavana ireo mpampianatra roa lahy miampy lehilahy iray hafa voarohirohy ho tompon’antoka tamina famakiana trano fitehirizana entam-barotra teny Ambodivoara, fokontany An­dranovao Ambohimangakely. Nanaovana ombay mitady ny ankizy kambana roa lahy izay tsy hita ny 22 septambra 2023 lasa teo. Nentin’ireo mpampianatra ireo niara-nanao asa ratsy taminy anefa ireo ankizy ireo, raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandary. Novakian’ireo Ramose roa lahy sy ny namany ity trano fitoeran’entana ity. Izy roa lahy nanaovana ombay mitady ireto no nasain-dry Ramose niambina ireo entana tsy zakany. Nanaiky tsy sazoka tokoa, araka izany, ireto mpianatra ireto. Potipotika tanteraka ny gadana 12 hidin-trano tao amin’ity fitoeran’entana ity. Tsy vitan’izay fa niongotra hatramin’ ny tolam-baravarana mi­hitsy izany nanaovan’ireo mpampianatra nivadika nanao asan-jiolahy azy. Very tamin’izany ny zava-pisotro 12 “cageots”. Mbola tratra tany amin’ireo ankizy ireo ny zava-pisotro tsy voataona sady efa nosotroin’ izy ireo ihany. Nosamborin’ny zandary avy hatrany ireto mpamaky trano ireto taorian’ ny fitoriana napetraky ny tompon-trano. Nomarihin’ny zandary fa efa nisy namaky ny 18 avrily lasa teo ity trano ity. Jiolahy iray maty voatifitra nan­dritra ny fifandonana tamin’ny zandary tamin’io fotoana io.

J.C

Partager sur: