Raikitra indray ny “Angaredona” amin’ny haino aman-jery. Hiverina haneho hevitra amin’ny haino aman-jery maromaro ireo mpomba ny kandidà 11, ny alakamisy izao ary hitohy isan’andro. Hanomboka amin’ny 9 ka hatramin’ny 12 ora ny fandaharana ary hifandimbiasan’ny lohahevitra maromaro. Haneho hevitra ireo sehatra hafa rehetra.
Manome herinandro hifampidinihana momba ny raharaham-pirenena ny Vondron’ny mpiasa. Hampitsahatra ny asa izy ireo raha tsy tanteraka ny famahana izao olana izao. Takin’izy ireo hiresahan’ ny mpisehatra politika sy ny firaisamonim-pirenena, miaraka amin’ny mpitondra fanjakana ary hanana solontena koa ny mpiasa.
Kandidà roa isan’andro no hiaka-tsehatra amin’ny TVM/RNM, isaky ny hariva mialoha ny vaovao. Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa fandaharana manokana natao hampitoviana lenta ireo mpirotsaka hofidina izany. Natao hampahafantarana ny momba ilay kandidà sy ny vinany ary koa ny fanentanany ny rehetra handray anjara amin’ny fifidianana izany.
Miantso ireo administratera sivily ny Synad mba tsy hitanila eo am-panatanterahana ny asany. Nambaran’ny filohan’izy ireo, Solonavalona Paolo, tetsy Anosy, fa hiatrika kihon-dalana goavana amin’ny alalan’ny fifidianana ny firenena ka izao nanaovana antso avo izao. Ny biraon’ny Synad ihany koa no afaka miteny.