Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fandrindrana ny fampiasana ranomasina, hiadina amin’ny fanararaotana ny harena an-dranomasina sy ny fivezivezena tsy ara-dalàna eto amintsika, izay mahatonga loza samihafa. Hapetraka ny drafi-panajariana ny fari-dranomasina manerana ny Nosy, handrindrana ny fihariana isan-tsokajiny mifandraika amin’izany. Tetikasa iarahana amin’ireo mpisehatra an-dranomasina samihafa. Hampitomboina, manaraka izay, ireo sambo mpanara-maso ny fari-dranomasina. Tanjona ny hahazoana tombontsoa ho an’ny toekarena malagasy. Maherin’ny 1 000 000 km2 ny fari-dranomasin’ny Nosy malagasy, antony mahatonga ireo olon-dratsy manao tantely afa-drakotra ny toekarena manga sy ny harena ao anatiny. Noho izany, napetraky ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ny tetikasa hampiroboroboana ny toekarena sy fiharian’ny mponina.
Nisy ny atrikasa niarahan’ireo mpisehatra an-dranomasina natao tetsy Antaninarenina, omaly. Voaresaka tao anatin’izay ny vokatr’ireo fanadihadiana samihafa ary ireo vina hapetraka ho fanatsarana ny toekarena manga. Voaresaka tao ihany koa ireo tahirin-kevitra samihafa mandrafitra ny fari-dranomasin’i Madagasikara.
Henintsoa H.