Araka ny lisitra navoakan’ny Ceni eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny talata lasa teo, tao anaty tambajotran-tserasera. Tsy nisy latsaka fa nahafeno fepetra avokoa ireo kandidà dimy hifaninana ho filohan’ny FMF.
Hotanterahina anio, eny Isoraka, ny antsapaka hahafantarana ny laharan’ ireo kandidà dimy mirahalahy. Izay nirotsaka hofidina izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Anisan’ireo kandidà hiatrika izany, Rakotomalala Stanislas, Andrianony Victorien, Randriamanampisoa Alfred, Astina Douglas Wilson, Rakotomamonjy Neypatraiky André. Marihina fa ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) eo anivon’ny FMF no miandraikitra izany.
Mandritra ny antsapaka, hitondra ny fanazavana mahakasika ny fitsipika mifehy ny fifidianana ny Ceni ary omena anjara fitenenana ireo kandidà dimy. Azo arahina amin’ny fahitalavi-pirenena sy ny Radio nasionaly malagasy (RNM) izany. Raha ny vaovao voaray, amin’io fotoana io no hanambarana ny toerana hanaovana ny fifidianana, izay hotanterahina ny 14 oktobra 2023 ho avy izao.
Tsara ny mampahafantatra fa tsy olom-baovao eo amin’ny sehatry ny baolina kitra ireo mpifaninana dimy mirahalahy ireo. Raha ho an-dRakotomalala Stanislas, efa sekretera jeneralin’ny FMF tamin’ny andron’ny filohan’ny Caf teo aloha, Ahmad Ahmad ary mbola SG ny “Orange Pro League (OPL)” ankehitriny.
Andrianony Victorien, filohan’ny FMF mpisolo toerana teo aloha. Randriamanampisoa Alfred, filoha lefitry ny FMF teo aloha ary filoha tale jeneralin’ny klioba Elgeco Plus. Astina Douglas Wilson, filohan’ny klioba JFC Toliara ary anisan’ireo nanampy ny Barea nandritra ny “Can 2019” tany Egypta. Rakotomamonjy Neypatraiky, efa tao anatin’ny komity mpanatanteraky ny FMF tamin’ny andron’i Ahmad Ahmad.
Fitia