INDRAY MIJERY

Mbola misy eto Madagasikara ny aretina habokana. Nihaona tao Fianarantsoa ny mpiantsehatra rehetra miady amin’ny habokana any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, ny faran’ny herinandro teo. Manamafy ny ady atao, nanao jery todika sy nandrafitra ireo paikady. Marihina fa maimaimpoana ny fitiliana sy ny fitsaboana izany eto Madagasikara.

Ao anatin’ny fotoana fanadiovana ny lakandrano fivarinan’ny rano ny tomponandraikitra amin’izao fotoana. Nilaza koa ny Apipa izay manara-maso ny lemak’Antananarivo, fa mitohy ny fidinana ifotony amin’ny fanaraha-maso ny fotodrafitrasa. Efa nisy ny fahatrarana ny haraton’ireo mpaka trondro eny Anosy sy Masay nandritra izany.

Nanao sonia fiaraha-miasa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny World Intermediation Plateform (WIPwork). Ny WIPWork izay sehatra ifandraisana mivantana tsy misy mpanelanelana eo amin’ny mpitady asa sy ny mpampiasa. Hisy fanofanana faobe ho fanoroana ny fomba hampiasana azy mba hahamora ny fifandraisan’ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny mpampiasa sy ny mpitady asa.

Nahatratra 1 841 671 ny isan’ny fitaovam-pianarana nozaraina ho an’ny fidiran’ny mpianatra, hoy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. 2 tapitrisa mahery ny aron’akanjo ho an’ny mpianatra ary 2 tapitrisa sy sasany ny kahie fanazarantena notsijaraina. Ho fanampiana ny mpianatra avokoa ireo.

Partager sur: