Hotanterahina ny 11 hatramin’ny 14 oktobra 2023, eto Antananarivo ny « Jôkôsô- Festival du rire » andiany fahatelo. Ankoatra ny fampisehoana, hisy ihany koa ny fizarana sy fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao, eo amin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny hatsikana eto Madagasikara. Mampiavaka ny hetsika amin’ity taona ity ny fiaraha-mifaly sy fitondrana fanampiana ho an’ny akany Felana Maitso Antehiroka. Tsy miova fa mbola hita ao ihany koa anefa ireo hetsika nampiavaka ny “Jôkôsô- Festival du rire » hatramin’izay.
Feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra izany. Ho hita mandritra ny hetsika, ary hiaka-tsehatra, avokoa ireo Malagasy mpanao hatsikana sangany, sahala amin-dry Gothlieb, Françis Turbo, Dadavy, Fou Hehy, miaraka amin’ ireo vao misandratra sy misongadina amin’izao fotoana izao. Ireo ivontoeran’ny kolontsaina samihafa eto Antananarivo renivohitra no handray ny hetsika rehetra. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, ao anatin’ny vina amin’ny fampivelarana ny hatsikana eto Madagasikara izy ireo amin’izao fotoana izao. Izany indrindra no antony nanaovana ireo hetsika miendrika valan-dresaka, atrikasa, fiarahana amin’ny ankizy eny anivon’ny akany.
Lin