Kids Atheltics : hiofana ireo mpanazatra

Tafiditra ao anatin’ny fanatontosana ny fandaharam-potoana omen’ny Federasiona iraisam-pirenena amin’ny taranja atletisma (World Athletic), ny fanomanana ireo ankizy eo amin’ity taranja fototra ity na ny Kids Athletics. Anisan’ny misitraka izany ny eto Madagasikara. Araka izany, hotanterahina anio alarobia, eny amin’ny kianja Alarobia ny fampiofanana ireo olona manodidina ny tontolon’ny atletisma avy amin’ny faritra faharoa misy an’i Amoron’i Mania, Vakinankaratra, Bongolava, Itasy ary Analamanga.
Miisa 12 mianadahy mianaka izy ireo ka ao ireo atleta fahiny, ny mpitantana ary ireo mpanazatra tsy mbola nahazo fahalalana momba ity Kids athletics ity. Hitarika ny fampiofanana Razanamalala Noeline, mpanazatra ny klioba TAF, izay vao avy niofana momba ity tetikasan’ny WA ity tany Dakar, ny volana mai lasa teo. Hampihatra sy hizara ny fahaizany izany ny tenany amin’ity. 60 mianadahy ireo ankizy hanaovana ny fampiharana amin’ity. Hizara roa ny fiofanana ka an-tsoratra ny maraina ary fampiharana ny tolakandro. Sady manana ny mari-pahaizana manokana amin’izany Kids athletics izany rahateo izy.

Tompondaka

Partager sur: