Efa tafaverina soa aman-tsara eto an-tanindrazana ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Andry Rajoelina. Azo antoka fa hiditra tanteraka anatin’ny fiainana politika sy ny ho fiatrehana ny fifidianana izy. Akory anefa ny hagagan’ny mpanara-baovao fa tsy nipoitra teny amin’ilay fampanantsoan’ny FFKM, omaly hariva izy. Solontena no nalefa izay nivoaka niditra ny fivoriana, tsy nandray anjara tamin’ny dinika.
Asa izay ve no paikady hitan’ny ekipan’ny laharana fahatelo fa hoenti-mandresy ? Mety ho fadisoana kajy izany raha mamakafaka ny hodidina rehetra misy ankehitriny. Mariky ny fahakanosana, hifanatrika mivantana amin’ny kandidà 12 hafa. Tari-dositra tsy hiditra anaty adihevitra lalina, mialoha ny hanombohan’ny fampielezan-kevitra. Sary miiba hatrany no mivoaka ho an’ny filoha teo aloha Andry Rajoelina, noho ireto mpiara-miasa aminy, tia manao ampihimamba andraikitra sy voninahitra ireto.
Karazana hoditr’akondro avy amin’ny mpanolotsaina ny zava-niseho, omaly hariva, satria hita ho nanatrika hetsika manokana izy ny tapakandro maraina. Toa tsy manome lanja ilay fifaninanana masina. Sehatra iray anefa izany, nahafahana nanasongadina ny fahaiza-manaony sy ny fahaizana mitarika anaty fahasamihafana.
Amin’ny ankapobeny, mbola vao mametraka ny lamina anaty amin’ny ho fiatrehana ny fampilezan-kevitra ny kandida n°3. Mbola ireo te ho deraina sy miseho mahavita azy avokoa no mipoipoitra etsy sy eroa. Mijapijapy ny hetsika ataon’ny sasany. Eo no mila mitandrina ny kandidà Andry Rajoelina. Tsy ho voafitak’ireo mpilaza ho mpanohana mahafatra-po, mpanao fiaron’amboalahy antitra fotsiny. Malailay fonosana tsy te hiara-hiasa amin’ny mpanohana hafa.
Raha nahavita izy ireny nandritra ny dimy taona, angamba tsy ho tahaka izao ny fizotry ny ady ?
r.r