Minisitra Ravokatra Fidiniavo: « Mitady fifidianana ny vahoaka… »

“Ho anareo kandidà rehetra efa vonona ho amin’ny fifidianana, efa nanaiky ny fandaminana rehetra ary efa nahazo ny laharana misy anareo tsirairay avy ianareo: miomana amin’ny fanazaran-tena ary miakara eny ambony kianja, miroso amin’ny fifidianana. Mitady fifidianana ny vahoaka, tsy mihemotra amin’ny fifidianana”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, Ravokatra Fidiniavo, ny amin’ny fiatrehana fifidianana. Efa marika sahady koa amin’ny tsy fitiavan-tanindrazana sy tsy fitiavana hampandroso ny vahoaka malagasy ny fitadiavana ny hevitra rehetra hanaka­nana izany fifidianana izany.
Manao antso avo ny fitondram-panjakana izy fa mitohy ny fandaminana rehetra amin’ny fantanterahana ny zotram-pifidianana. Ny fakana ny kara-pifidianana eny anivon’ny fokontany aloha no fanentanany ny vahoaka amin’izao. Entaniny koa ny eny anivon’ny fokontany hanafaingana izay fizarana karatry ny mpifidy izay, ary ny vahoaka hanao andrimaso. “Koa raha misy mieritreritra hanao asa fanakorontanana na amin’ny endrika inona na inona ho amin’ny sakana amin’izany fifidianana izany na fanakorontanana ny firenena, eo isika vahoaka hiaraka hirohotra handatsa-bato amin’ny 9 novambra ho an’izay olona heverintsika fa tena afa-kitondra sy hanohy ny asa fampandrosoana”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: