Sehatra iray ahafahan’ny tanora monina any ampitan-dranomasina manasoa ny mpiray tanindrazana aminy ny fifaninanana “Miss&Mister Malagasy”. Misy ihany anefa ny sivana apetraky ny mpikarakara ahazoana mpandresy afaka manatanteraka ny tanjona.
Hotanterahina ny 4 novambra 2023, ao Paris, Frantsa, ny lanonam-pamaranana ny fifaninanana « Miss & Mister Malagasy 2024 ». Ny fikambanana “Miss&Mister Malagasy” no mikarakara ny hetsika, miaraka amin’ireo Malagasy mpila ravinahitra ao Eoropa. “Ireo tanora malagasy monina ao Eoropa no mandray anjara amin’ity fifaninanana ity ary misolo tena ireo malagasy mpila ravinahitra, manao asa fanasoavana sy asa entina manatsara ny fiainan’ny Malagasy aty an-tanindrazana, izay mandrombaka ny laharana voalohany”, hoy i Sam Ralantoarison, filohan’ny fikambanana “Miss&Mister Malagasy”.
Efa ao anaty fifantenana tanteraka ny mpikarakara amin’izao fotoana izao. Miisa 30, lehilahy 15 sy vehivavy 15, ny hiady ny laharana voalohany amin’ny ity hetsika ity. Izy ireo no voatsonga hiatrika ny dingana famaranana. Raha tsiahivina, nanomboka ny volana janoary 2023 hatramin’ny aogositra no nanaovana ny fifantenana. Rehefa voafaritra ny laharana voalohany dia hiditra amin’ny fanangonana ny vola ho enti-manatanteraka ny hetsika mitsinjo ny maha olona ny tomponandraikitra. “Fanaonay hatramin’ izay ny miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana eny ifotony ary manala ireo tena sahirana na manolotra fotodrafitrasa hanatsarana ny fiainanan’ny Malagasy, indrindra ny mpianatra”, hoy Sam Ralantoarison.
Raha tsiahivina, ao anaty fanatanterahana ny hetsika fizarana fanampiana ho an’ny ankizy sahirana ao Antsirabe, Ambositra, Fianarantsoa, Ranohira ary Toliara ny fikambanana, miaraka amin’i Candice Toussaint sy i Alexandre, “Miss&Mister 2023”.
Lin