Raim-pianakaviana iray 45 taona manan-janaka roa no saika namoy ny ainy rehefa novelesin’ny jiolahy ny hazobe teo amin’ny lohany teny Andranomanalina, afakomaly hariva. Vaky mihitsy ny lohany, araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny zava-nisy teny an-toerana. Miasa mivarotra brokatera ny asan’ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Avy niasa izy tamin’io fotoana io no nifanehatra tamin’ny jiolahy roa efa niandry azy teo amin’ny lalana miditra mankany an-tranony. Tsy naka na inona na inona anefa ireo olon-dratsy fa nidaroka azy fotsiny dia lasa nitsoaka. Voalaza anefa fa nisy telefaonina iray niaraka tamin’ny vola 10 000Ar tany aminy. Nitsirara tamin’ny tany izy. Nisy nahafantatra azy anefa ny olona teo amin’ny manodidina ka nanatitra azy nody. Tsy taitra akory anefa ny vadiny nahita azy nihosin-dra. Vao mainka aza nanao vavabe ilay renim-pianakaviana sady tsy nety hitondra azy any amin’ny dokotera. Ireo olona tsara sitrapo teo an-tanàna no nifanome tanana nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Fantatra, taorian’izay, fa iharan’ny herisetra ity ramatoa vadiny ity. Vono, daroka no iainany, araka ny loharanom-baovao voaray. Tsy zakany intsony izany ka nampaniraka olona izy hidaroka am-badiny izao. Voalaza fa mahafantatra ny herisetra mahazo ity ramatoa ity avokoa ny olona rehetra eo an-tanàna. Na teo anefa ny ratra nahazo azy, avotra ihany ilay raim-pianakaviana.
J.C