Raharaham-pifidianana: hiditra an-tsehatra ny Firenena mikambana

Higadona anio, eto Madagasikara, ny iraky ny Firenena mikambana (ONU). Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny fanaovana tombana ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena.

Anisan’ny hihaona amin’ireto iraka, araka ny toromariky ny any New York, ireto ny filoham-panjakana misolo toerana, amin’ny alalan’ny governemanta ifarimbonana. Eo koa ny mpikamban’ny HCC sy ny eo anivon’ny Ceni. Hitohy amin’ny fihaonan’izy ireo amin’ny FFKM sy ny fiarahamonim-pirenena izany ary koa ireo kandidà ho filoham-pirenena. Hamaranana izany ny fihaonan’ireto iraky ny ONU ireto amin’ireo diplaomaty sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena eto amintsika. Hifarana ny 5 oktobra izao ny iraka tanterahin’ireo avy amin’ny ONU ireo.

Efa nialohavan’ny fihaonan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla tamin’ny sekretera jeneralin’ny ONU, i Antonio Guterres, afakomaly, tany New York, izao fahatongavan’ireto delegasiona ireto izao.

Ny fehinkevitry ny Sadc

Voaresaky ny roa tonta ny raharaha politika eto amintsika, indrindra fa ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena. Noresahan’ny roa tonta koa ny momba ny Tanjona ho amin’ny fampandrosoana maharitra (ODD). Eo koa ny maha zava-dehibe ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny vahaolana maharitra momba izany.
Etsy andaniny, hivoaka tsy ho ela koa ny fehinkevitry ny Sadc, nandalo teto amintsika ny volana jolay teo. Nanara-maso ny fanomanana ny fifidianana izy ireo tamin’izany ary nihaona tamin’ireo lehiben’antoko sy fikambanana politika ary koa ny fiarahamonim-pirenena. Andrasana ny ho fivoaran’ny toe-draharaha po­litika sy ny hiatrehana ny fifidianana.

Synèse R.

Partager sur: