Taorian’ireo resa-be mahakasika an’ ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, Rakool. Nilaza Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, filohan’ny “Orange Pro League” sy ny klioba CFFA fa tsy any Ambohimirary ny tenany fa any France amin’izao fotoana izao. Miandry ny anaran’ilay klioba fotsiny isika hoy ihany i Tôta.
Ratovoarilandy Marlyn, Malagasy mpilalao baolina kitra. Lasa milalao ao amin’ny Lights Stars FC Seychelles ny tenany. Marihina fa vodilaharan’ny AS Adema izy fahiny, ary efa nilalao tamin’ny Toulon Academy teto Madagasikara ihany koa. Tsiahivina fa efa nifaninana tany Seychelles izy, fony mbola niaraka tamin’ny Saint Michel United klioba Seychellois.
Maro ireo Malagasy mpilalao mifindra any Seychelles amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo nahazo fifanarahana any i Soloniaina Backson Philemon. Ao amin’ny klioban’ny St Michel United FC ity lohalaharan’ny Tsaramandroso Formation ity no hilalao amin’ity taom-pilalaovana ity.
Hotanterahina anio, any France, ny andro fahefatra ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany taranja Rugby. Hihaona amin’izany i Uruguay sy i Namibie. Tsiahivina fa lalao fifanintsinanana isam-bondrona ho an’ny “A” ity atao ity. Marihina fa mbola tara lalao iray i Uruguay.