tanàna orange faha-29 : nahazo fotodrafitrasa sosialy maro Antsahafilo

4 000 ny mponina ao amin’ny kaominina Antsahafilo, distrikan’Ambohidratrimo. Sady nahazo fotodrafitrasa sosialy vaovao no nisitraka ny fanabeazana nomerika ny kilonga hirondra fivoarana ho an’ny fokontany efatra ao aminy.

140 taona aty aoriana vao noravana tanteraka ary nosoloina vaovao ny EPP ao amin’ny kaominina Antsahafilo, distrikan’Ambohidratrimo. Vokatry ny haratsin’ny fotodrafitrasa, malaina ny mpianatra ary ambany ny taham-pahafahana CEPE satria 23% monja ho an’ny taom-pianarana 2022-2023, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fanabeazana ao an-toerana. Rehefa nifanome tanana ny ONG Aide de Action sy ny Fondation Orange, vita ny efitrano efatra ho an’ny EPP vaovao ary nasiana tranomboky sy toeram-pidiovana sy fivoahana manaraka ny fenitra. 140 ny isan’ny mpianatra ao amin’ny EPP mitsinjara 40 isaky ny efitrano. Natao ho tanàna orange faha-29 koa Antsahafilo noentin’ny Fon­dation Orange ny fotodrafitrasa ho an’ny filana fototra sosialy rehetra izay manome lanja ny fanabeazana sy ny fahasalamana. Ankoatra ny EPP, natsangana ny efitrano ho an’ny mpanaraka ny mpitaraka sy ny marary hanamora ny fikarakarana ary novatsiana jiro ny CSB sy ny EPP. Nisitraka ny fanabeazana no­merika koa ny EPP satria nomena tablette sy ny kojakoja ilaina rehetra.

Mitentina 580 tapitrisa Ar ny fotodrafitrasa rehetra napetraka tao Antsahafilo hitondra fampandrosoana. Ny mpiasan’ny orinasa Orange any Frantsa no nandrotsaka tsikelikely lela-vola nahazoana ny mari-bola nampiasaina tamin’ny asa, hoy ny déléguée generale Fondation Orange, Françoise Cosson. Nametra­ka ny dabilio hitondrana ny hay fampita mavitrika kosa ny Aide et action nahamora ny fampitana ny fahalalana ao an-dakilasy, hoy ny mpandrindra ny ONG eto Madaga­si­kara, Raveloarijaona Rado.
63 taona ny kaominina amin’izao fotoana izao, fa sambany nisy hetsika fampandrosoana lehibe tahaka izao ka isaorana ny mpamatsy vola rehetra, araka ny kabarin’ny ben’ny Tanàna, Bonamie Ra­ko­toasiandrimiadana.

Vonjy A.

Partager sur: