TARATRY ny KANTO

« Afondasin’Andohalo ». Hanafana ny sehatry ny « Afondasin’Andohalo » ny zoma 29 septambra 2023, i Princio. Hisongadina manokana mandritra io hetsika io, araka izany, ny hiran’ity mpahay kanto malaza ity. Hisy hatrany anefa ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra sy ny hetsika nahafantarana ny “Afondasin’Andohalo” hatramin’izay.

« Kitantara ». Hitondra ny sombiny amin’ny asa sorany “Kitantara” i Na Hassi, mandritra ny seho ataony ao amin’ny CGM Analakely, ny alakamisy 28 septambra izao. Hanotrona azy amin’izany, ary handravaka ny fampisehoana Andrianavalona sy Arizara ary Fenohasina Manitra.

“Slam Media 2023”. Tanterahina anio, eny amin’ ny IFM Analakely, ny “Slam Media 2023”. Hetsika tafiditra ao anatin’ny “Slam national 14”, saingy natokana ho an’ireo tsy afaka nifaninana tamin’ity hetsika ity. Mahatratra 17 ireo nandray anjara amin’ ity sokajy ity, izay miavaka amin’ny fanehoana ny sanganasany amin’ny alalan’ny horonantsary.

“Projet Dihy”. Mizotra hatrany eny amin’ny Maison sociale d’art d’Antananarivo, Ambatovinaky, ny “Projet D.I.H.Y”, ao anatin’ny “Betro Elektriky”. Mpiangaly dihy matihanina maro samihafa no mifarimbona ao anatin’izao tetikasa izao. Hatramin’izao, tratra ny tanjona amin’ny famoronana dihy mitondra hafatra.

Partager sur: