Hotohoton’ny afo ny trano miisa roa tao amin’ny fokontany Madiotsifafana, distrikan’Ambatondrazaka, omaly maraina. Nivadika ho lavenona avokoa ny entana rehetra toy ny fanaka sy ny fahitalavitra. Tsy nisy tao an-toerana ny tompon-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny afo. Niezaka nifehy ny firehetana ny fokonolona saingy nanao sarotra izany.
Jiolahy telo lahy nandroba tao anaty taksibe iray teny Ambohitrakely-Betongolo, omaly. Niditra tao anatin’ ny fiara teo amin’ny fijanonan’ny fiara eo Betongolo ireo olon-dratsy telo lahy nanao toy ny mpandeha rehetra. Nandrahona ary nanery ireo mpandeha rehetra hamoaka ny finday sy ny vola ireo telo lahy ary nitsoaka nandositra taorian’izay.
Namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy ny mpianatra iray voadonan’ny moto tao Sambava, afakomaly. Hamonjy toeram-pianarana, naterin’ny mpanampy, izy kinanjo sendra voafaokan’ny moto tampoka. Voa mafy teo amin’ny lohany io zaza io ka maty. Naratra ary efa manaraka fitsaboana ilay mpanampy.
Mpitondra moto iray niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teny Fenoarivo, afakomaly alina. Nandeha mafy, niharan-doza tampoka ilay mpitondra moto scooter. Vokany, naratra mafy ilay mpamily ny moto ka nentina nihazo ny hopitaly.