Taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy, teto Madagasikara, tsy miandry ela fa mitohy ny fifaninanana ho an’ny Federasiona sport-boule malagasy (FSBM). Hiditra amin’ny fanatontosana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara indray izy ireo, amin’ity. Fihaonana hatao mandritra ny hateloana, ny 29 septambra ka hatramin’ny 1 oktobra ho avy izao, eny amin’ny kianja PAC Ampitatafika.
Fifaninanana, natokana ho an’olon-telo miaraka lahy sy vavy izany. Sokajy efatra no hiady izay ho lohany dia ny “senior” lahy sy vavy, ny zandriny ary ny “vétérans”. Hotoloran’ny FSBM, lelavola mitentina 2 tapitrisa Ar, ny ho tompondaka eo amin’ny “senior” lahy raha 1 tapitrisa Ar kosa ho an’ny vehivavy sy ny zokiolona. 600 000 Ar ny an’ireo zandrikely. Ankoatra izay, hanolotra fanomezana ho an’ireo mpandresy ihany koa ny Telma. Manohana ity fifaninanana ity ihany koa ny THB.
Misokatra ho an’ireo mpilalao rehetra manana kara-pilalaovana ara-dalàna eo anivon’ny FSBM ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ity. Mijanona ho anaram-boninahitra fotsiny ihany ny vokatra eo. Ankoatra izay, hanomanana sahady ny fihaonana iraisam-pirenena, amin’ny taona ho avy. Tsiahivina fa fahavoazana goavana ho an’i Madagasikara ny tsy fandraisana anjara teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, natao tany Bénin farany teo.
Tompondaka