Miisa roa ny milina « electropompes »-n’ny Jirama amboarina eny Mandroseza. Tsy mbola miverina amin’ny laoniny, noho izany, ny famatsian-drano eny amin’ny faritra maromaro eto an-drenivohitra. Toy ny eny Ivandry, Analamahitsy, Ambohitrarahaba, …, Soavinandriana, Amboditsiry, Anjanahary, Manjakaray, Faravohitra, Fort Voyron, sns.
Hanomboka rahampitso ka hatramin’ny alahady 1 oktobra izao ny Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, andiany faha-15, atao eny amin’ny MPE Nanisana. Lohahevitry ny hetsika ny “fananan’asa amin’ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono”. Mahatratra 130 ny tranoheva handray anjara.
Mitety faritra ny polisin’ny Harena an-kibon’ny tany (Police des mines) ao anatin’ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany any Alaotra Mangoro. Nitarika azy ireo tany amin’ny kaominina Didy, ny prefen’Ambatondrazaka sy ny talem-paritra, ny 21 septambra teo, niresahana mikasika ny hidiran’ny mpitrandraka anaty faritra ara-dalàna.
Miisa telo ny polisin’ny Tontolo iainana, mpanadihady ara-pitsarana (OPJ) any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, nanamafy ny fahaiza-manaony tany Antsirabe, ny herinandro lasa teo. Nohamafisina ny fahalalana fototra mikasika ny lalàna, nifampizarana traikefa, niaraka tamin’ny zandarimaria sy ny fitsarana any Vakinankaratra.