ANAC Analamanga: « Misongadina ny ankizy tezaina amin’ny mozika »

Tontosaina nanomboka omaly, teny amin’ny Académie Nationale des Arts et de la Culture (ANAC) Anosy, ny fampianarana mozika ho an’ny ankizy. Zavamaneno maro samihafa no ampianarina ireo kilonga amin’izany. Ankoatra ny fampianarana mozika, misy ihany koa ny fanabeazana ara-tsaina amin’ny alalan’ny mozika entina mampivelatra bebe kokoa azy ireo.
« Initiation à l’Orchestre » no lohateny nampitondrain’ny tomponandraikitra ity hetsika ity. Ny ANAC no mikarakara ny fampiofanana ary ankizy mihoatran’ny 7 taona no raisina hianatra hitendry zavamaneno maro samihafa, ao anatin’izany. Maro ny mampiavaka ity fampiofanana ity. Anisan’izany ny fitendrena zavamaneno amin’ny fomba vaovao. Eo ihany koa ny fampianarana sy fanofanana ny ankizy hahay hitendry zavamaneno maroloko fa tsy hijanona amin’ny anankiray. “Anisan’ ny singa iray mandavorary ny fanabeazana sy fitaizana ankizy ny fahafehezany zavamaneno, ary misongadina hatrany ireo ankizy tezaina aminy”, hoy ny tomponandraikitry ny fampiofanana. Flute, Trompette, Trombone, Violon, Vio­lon­celle, Viola, Per­cus­sions… no zavamaneno ianarana amin’izany.

Lin

Partager sur: