Hatao any Shanghai, ny 14 sy 15 oktobra ho avy izao, ny “World Tour”, taranja basikety lalaovin’olona 3. Handray anjara amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny ekipa “Antananarivo”. Tohin’ny fifaninanana natao tany Wuxi, tamin’ny tapak’ity taona 2023 ity moa izao lalao “World Tour” izao ary noho ny vokatra azon’ny ekipa malagasy no nahatafakatra azy ireo amin’izany. Araka ny vaovao voaray, ireo mpilalao 4 mirahalahy niatrika ny lalaon’ny Nosy farany teo ihany no handrafitra ny ekipa nasionaly malagasy hihazo an’i Shanghai. Ahitana an’i Elly, i Arnol, i Livio ary i Fabrice. Ekipa 12 no hifaninana amin’ity lalao iraisam-pirenena lehibe eo amin’ny basikety 3×3 ity ary firenena kalaza maneran-tany avokoa ny mpandray anjara. Anisan’izany, ny ekipa avy ao Autriche, Etazonia, Japon, Serbie sy ny hafa.
Tanjona efa napetraky ny Federasiona malagasin’ny basikety, ny hanomezana lanja bebe kokoa ny basikety lalaovin’olona 3 ka izany indrindra no antony hanomezana vahana ny fifaninanana goavana toy izao ho an’ny Malagasy mpilalao. Taranja efa tena mivoatra sy manana ny toerana rahateo, eo amin’ny sehatra afrikanina sy maneran-tany io basikety 3×3 io.
Mi.Raz