Depiote tra-doza: vehivavy 76 taona, maty voadonan’ny 4×4

Maty tsy tra-drano ny vaviantitra iray, 76 taona, omaly. Voadonan’ny fiara 4×4, nentina depiote, hamonjy hetsika politika izy. Mikasa hanao raharaham-pihavanana ny roa tonta.

Namoy ny ainy teo no ho eo ny renim-pianakaviana iray 76 taona voadonan’ny fiara nentin’ny solombavambahoaka iray, omaly. Tra-doza teo amin’ny lalam-pirenena faha-12, PK 134 + 278, Ambohitro­vabe, fokontany ambohitrovakely, kaominina Nato, distrikan’i Vohipeno, ny fiara nentin’ity olom-boafidy ity. “Avy any Manakara io fiara tsy mataho-dalana nentin’ny depiote io”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria any an-toerana. “Nitraka tampoka ilay renim-pianakaviana nandalo tamin’ny arabe kinanjo voafaokan’ny fiara. Nipitika avy hatrany izy. Nandriaka ny ra ary vaky ny lohan’ity farany. Niezaka hanavotra azy ny nanatri-maso saingy tsy tana intsony ny ainy.”, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana, nizaha ifotony ny loza.
Ilay solombavambahoaka no nitondra ny fiara tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. “Nisy olon-kafa niaraka taminy fa izy no namily ny fiara 4×4”, hoy ny fanazavana an-telefaonina tamin’ny zandary. Niroso tamin’ny fanaovana famotorana ny mpitandro filaminana taorian’ny loza.
Araka ny angom-baovao, nisy ny fifampiresahana ta­min’ny tompo-manjo sy ingahy depiote. Mikasa hifandamina amin’ny raharaham-pihavanana ny andaniny sy ny anki­lany. “Marihina fa nikasa ha­monjy hetsika politika ao amin’ny distrikan’i Vohipeno ilay solombavambahoaka no ni­ha­ran-doza tampoka izao”, hoy hatrany ny vaovao voaray avy any an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: