Fambolena bonsaï : zavakanto avy amin’ny fomba amam-panao sy kolontsaina japoney

Karazana zavakanto avy amin’ny fomba amam-panao sy kolon­tsaina japoney ny fambolena bonsaï. Miparitaka maneran-tany ary ahitana mpanao izany eto Madagasikara.

Avy amin’ny teny japoney, midika hoe «bonne-saille», milaza sy ma­nondro zavakanto ambolena ao anaty koveta marivo na vilia fisaka iray. Mba hanomezana azy endrika mihaja toy ny hita eo amin’ny natiora, fa manaraka ny teknika sy fitsipika novolavolaina tany Japon. Niandohan’ny za­vakanto ny fanjakana sinoa, nanodidina ny 700 taona talohan’i Jesosy Kristy, raha ara-tantara. Za­vakanto nentin’ny Sinoa tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo teknika manokana hananganana hazokely ao anaty vilany na zavatra hafa izany. Tany am-piandohana, ireo sangany teo amin’ny fiarahamonina ihany no nanao izany tamin’ny hazo nojinjaina.
Nampidirina tany Japon io zavakanto io ka nohatsarain’izy ireo ho lasa zavakanto amin’ny endrika maro samihafa, nanomboka tamin’ny vanim-potoana Kamakura (1200 taona lasa izay). Tanjona amin’ny fambolena azy ny famoronana endrika kely sy tena zava-misy amin’ny endriky ny hazo. Tamin’ny vanim-potoanan’ny alimo sinoa, nofidina ho tahafina, hampiasaina amin’ny fombafomba ara-pivavahana sy ara-politika ny bonsaï. Nivelatra nanerana ny fi­renena maro ireo fomba amam-panao isan-karazany ireo.
Niangarana ny firenena malagasy satria manankarena karazan-kazo tsy fahita firy afa-tsy eto an-toerana raha oharina amin’ny firenena maro sa­mi­hafa. Efa maro ireo olona mi­sehatra amin’ny fanaovana bonsaï eto amin’ny Nosy ka mampiasa ireny karazan-kazo ireny. Toy ny eny Ambohima­nam­bola, Alasora, Ankatso… Anisan’izany i Bruno Bonsaï etsy Ambatomirahavavy. Ni­se­hatra tamin’ny fambolena izany nanomboka ny taona 1986 izy. Nisedra olana isan-karazany vao nahazo vokatra, raha ny nambarany. “Mila fa­haretana ny fambolena azy ho an’ireo manam-paniriana hi­ka­rakara sy hanao izany mba hanatrarana ny tanjona”, hoy Rakoto­man­ga Bruno, mpanao bonsaï etsy Ambatomiraha­vavy. Nila­za izy fa ahitana lalam-barotra manerana ny Nosy sy maneran-tany ny fa­haretana amin’ny fanaovana izany.

Haingo sy endriky ny tokantrano

Azo apetraka amin’ny toerana rehetra ary manaingo ny faritra hipetrahany ny bonsaï. Azo atao eny an-jaridaina, anaty birao, anaty efitrano fandraisam-bahiny, eny an-davarangana…izy ireny. Ara­ka­raka ny karazan-kazo ampi­asaina no hisafidianana ny toerana hametrahana azy. Misy ireo hazo tsy mahazaka tara-pahazavana mivantana toy ny karazan-kazo Sagera­tias. Mampi­tombo azy ny ha­fanana eo anelanelan’ny 15 sy 25°C. Mety tsara amin’ny fambolena an-trano izy ireo. Ho an’ny karazan-kazo fanao eny ivelan’ny trano kosa indray.
Azo atao bonsaï avokoa ny hazo rehetra, na ny voankazo aza ary mahafinaritra sy kanto ny fahitana azy. Efa maro ny manao azy ireny. “Tsy manindraindra ny kolon­tsaina vahiny ny fanaovana izany eto amin’ny firenena malagasy fa manome tom­bony ho an’ny mponina sy
ny firenena satria manome lanja ny karazan-kazo misy eto an-toerana’’, hoy hatrany R. Bruno bonsaï. Eo amin’ny hazo fihinam-boa, somary mihena ny habeny noho ny fahita andavanandro sy ny isany satria amin’ny maha hazokely azy dia tsy mitondra firy izy raha oharina amin’ny hazo lehibe. Tsy mampiasa akora simika izy ireo amin’ny fambolena sy ny fi­ka­rakarana rehetra satria ma­nimba sy manamaina ny tany izany.

Mamalifaly ny mpitia azy ny bonsaï

Maro ireo Malagasy mankafy sy manao bonsaï noho ny fahitana ny endriny hafakely tsy fahita andavanandro. Mirami­rana sy falifaly ny ankamaroan’ny olona mahita sy mijery izany. « Zava-boahary kanto sy mahafinaritra izy ireny ka manome fifaliana ny zanak’olombelona », hoy i Noro, mpankafy bonsaï. Afaka mividy ity vokatra ity avokoa ny olon-drehetra. Mandalo dingana maromaro ny fanaovana azy. Anisan’ny fototra niaingan’ity kolontsaina ity ny fakana ireo hazo efa naniry an-taonany maro. Mety efa nahatratra 100 taona mihitsy izany, raha ny fanazavana. Azo atao ihany koa ny miainga amin’ny zanakazo sy ny voa afafy. Vita amin’ny tanimanga, vato, simenitra ireo fitoerana, vazy, hipetrahany.
Misy ihany koa ny fanajana ny fakana ireo hazo hambolena ho lasa bonsaï. Amin’ny ankapobeny, miankina amin’ny finoan’ny tsirairay izany, raha ny fanazavana. Anisany noraisina ho ohatra ny akondro, izay lazaina fa tsy azo atsatok’olona tsy mipi-bolo. Ankoatra izay, misy ihany koa ny hazo mitondra vintana ho an’ny tsirairay ka tsara ny hitahirizana azy.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: