Fifidianana filohan’ny FMF: fantatra avokoa ny laharan’ireo kandidà

Afaka fotoana vitsy, hanana mpitantana vaovao indray ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hitondra ny FMF ny iray amin’ireo kandidà dimy nirotsa-kofidina.

Tontosa omaly, teny Iso­raka ny antsapaka hahafantarana ny laharan’ireo kandidà dimy nirotsaka hofidina amin’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny ba­o­lina kitra (FMF). Araka izany, mitondra ny laharana voalohany ao anaty lisitra ny kandidà, Rakotomamonjy Neypatraiky André. Faharoa, Rakoto­ma­lala Handriniaina Stanislas. Fa­hatelo, Astina Douglas Wil­son. Fahefatra, Andrianony Victo­rien. Fahadimy, Randria­mana­m­pisoa Alfred.
Ankoatra izay, fantatra fa kandidà 49 tamin’ireo 52 nirotsaka ho mpikambana mpanatanteraka (CE) ihany no nahafeno fepetra ka noraisin’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) eo anivon’ny FMF. Tsiahivina fa ny fifidianana, hotanterahina eto Antananarivo, ny 14 oktobra ho avy izao. Folo andro mialohan’io fotoana lehibe io, havoaka ny lisitr’ireo mpifidy. Marihina fa ny filohan’ny ligy 22 eto Madagasikara irery ihany no mifidy amin’io fotoana io.

Astina Douglas Wilson, kandidà laharana fahatelo

Anisan’ireo Kandidà hifaninanana amin’ity fifidianana filohan’ny FMF ity i Astina Douglas Wilson, filohan’ny klioba JFC Toliara. Ny fitiavana hampivoatra ny taranja baolina kitra eto amintsika no tanjona ho azy, ary io no nampirisika azy hirotsaka lalina kokoa amin’ity sehatra ity. “Briller ensemble à travers le football”, io no teny filamatra ampiasainy, izay manambara fa tokony hampiray ny Malagasy rehetra ity taranja ity fa tsy hampisaraka.
Maro, hoy izy, ny lesoka hita tsy mampivoatra ny baolina kitra eto amintsika, ka vonona ny hitondra aina vao amin’izany ny tenany.
Maro ny vina entin’i Astina Douglas Wilson, hampiakatra avo ny taranja baolina kitra eto amintsika. Anisan’izany ny fanatsarana avy eny amin’ny fototra, ny fampiroboroboana ny fifaninanana eny anivon’ireo ligy. Ny fampiofanana ny mpilalao sy ny mpanazatra ary ny mpitantana. Miampy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eto Madagasikara.
Tsara ny mampahafantatra fa nianatra manokana ny resaka fitantanana izy. 43 taona ity filohan’ny JFC ity ary efa manam-bady aman-janaka.
Nanentana ireo filohan’ny ligy 22 izy mba hifidy ny tenany, hahafahany mitondra rivo-baovao amin’ny tontolon’ny baolina kitra eto Mada­ga­sikara.

Fitia

Partager sur: