INDRAY MIJERY

Mitohy hatramin’ny anio ny atrikasa fampahafantarana ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny olona manana fahasembanana, tanterahina etsy Tsiadana. Mandray anjara amin’izany ireo fikambanan’ny olona manana fahasembanana miisa 12 ary manana ny solontenany ireo olona manana toe-batana varira.

Mandritra ny telo andro hanatanterahana ny varavarana misokatra amin’ireo hopitalim-panjakana manerana ny Nosy, anisan’ny miavaka ny etsy amin’ny CHUJRB satria hisy ny fizaham-pahasalamana mahakasika ny vavony sy ny tsinay, ny atidoha sy ny saina, ny taovam-pisefoana, ny fo sy ny lalandra ary ny diabeta sy ny goatra ao an-toerana.

Mikarakara fiofanana momba ny “Veille prospective” ho an’ireo mpitantana isam-paritra, nanomboka ny 26 septambra hatramin’ny anio, ao amin’ny CFP Antsirabe, ny sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso sy fandinihana ny fahaiza-manao ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Unesco, ao anatin’ny tetikasa “BEAR II”.

Nosokafana ny talata lasa teo, tao amin ‘ny faritra Itasy, ny fisitrahan’ny CSB ny «Fonds d’urgence» ho fitsinjovana ny mponina sy ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ireo marary tonga eny amin’ny toeram-pitsaboana. Natolotra niaraka tamin’izany koa ny “ambulance” tsy mataho-dàlana hanafainganana ny fandraisana an-tànana ireo mila fitsaboana maika eny anivon’ny hopitaly.

Partager sur: