Mandalo an-tanindrazana: hanamarika ny 25 taona niseharana i Jeannot

«Tsiaro azy», «Fitia tsara voatra», «Ifonako»… fa indrindra ny «Tsy anjara». Hira tanatin’ny rakikiran’i Jeannot efa tany amin’ny 25 taona lasa ireo. Maro tokoa ny mpankafy no nanontany ny momba ity mpanakanto ity sy ny tohin’ny lalany. Voavaly izany izao ny nanitikitika rehetra sy ny mety ho faniriana ihany koa.
Fantatra amin’izao fa mandalo eto an-tanindrazana i Jeannot. Tsy handalo fotsiny anefa fa hihaona amin’ireo mpankafy, araka ny efa nampanantenainy hatry ny ela izay. Hanamarika mihitsy ny faha- 25 taona niakarany an-tsehatra ity mpanakanto anisan’ny ma­nana feo manga sy niavaka tamin’ny hira milamindamina ity.
«Tonga ny fotoana. Vonona izahay. Tsy mbola nisy ohatran’io… », hoy i Jeannot. Ilay fampisehoana entina hanombohana ny fankalazana io resahiny io, hotontosaina ny alahady 8 oktobra ho avy izao ma­nomboka amin’ny 3 ora, eny amin’ny Résidence L’Arenca­cia Ankadindratombo.
Tsy i Jeannot irery, fa hiaraka an-tsehatra aminy ny tarika iray manontolo : Mikakely (gitara beso), Nini (amponga ma­roanaka), Bib’S (saxophone), Carol (gitara), Tahiana (clavier) ary i Rijakely sy James kosa no hanampy eo amin’ny feo. Amin’ ny maha fankalazana azy, hifanotrona amin’i Jeannot ireo na­many indray nihira, toa an’i Tonton Pa, Clara ary Boboh Ma­havanona. Maromaro, araka izany, ireo fampiaraham-peo, izay nampalaza an’i Jeannot hatramin’izay rahateo.

Zo ny Aina

Partager sur: