Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara. Misary milamindamina ny andavandrom-piainan’ny vahoaka. Sahalan’ ny olona tsy manana olana avokoa. Asa ? Efa vita vaksiny amin’ny fijaliana sy ny fahantrana lalina angamba ka tsy maheno hirifiry intsony. Toa tsy misy taitra amin’izato vaovao miely fa nihena hatrany amin’ny 50 % anie ny zaza niditra an-tsekoly. Tsy manana ny hoenti-manana ny ray aman-dreny. Etsy ankilan’izany, miditra an-tsehatra amin’ny asa ny 25 % ny zaza malagasy dimy hatramin’ny 17 taona. Miaina anaty fijaliana lalina sy asa tsizarizary izy ireo.
Tsy misy mihetsi-bolomaso fa toa mafy hazondamosina, mahazaka tsara ny donam-piainana. Mazan-doha hono ! Indrisy anefa fa olona miforitra anaty ny ankabeazany. Mizaka mangina ny ngidiny.Tsy mahagaga rehefa tsy misy mpahita, manao izay danin’
ny kibony amin’ny fandikan-dalàna. Mirongatra ny herisetra amin’ny endriny samihafa. Mahazo vahana ny hala-boty sy ny vakitrano. Ny mpanendaka tsy mifidy ho alaina. Ny mpivady aza itony mahita izay manao horonantsary ho misy maka an-keriny (Jereo Pejy 2).
Tsy vitan’ny miforitra anaty fa misy ny mpihatsaravelatsihy gagilahy sy gagivavy. Ory hava-manana
ka mamorika ny hafa. Nanaitra ny fanazavan’ny mpivarotra zava-masina toy ny medaly sy ny sapile, fa tsy maharaka ny entana amidy. Mitady fiarovana ara-panahy ny mponin’Antananarivo. Misy koa anefa ho an’
ny mpandala ny nentim-paharazana fa hihazakazahana sy hifanotofana ny mpitaiza olona sy ny ombiasa isan-karazany. Miompana amin’ny fitsaboana mosavy sy ankasomparana ny ankamaroan’ny mpanjifa.
Inona no iresahana izany anio? Marary ny fiarahamonina. Misy ny manimba tena, saingy maro ny mamotika ny mpiray tanàna. Mila fitsaboana ny ara-tsaina, ara-batana, indrindra ny ara-panahy, izay maha olona ny olona, Ramalagasy !
r.r