Morarano Ankilizato : zaza varira nalain’ny dahalo teny an-trotroin-dreniny

Nitrangana fakana an-keriny zaza varira indray tao amin’ny fokontany Morarano, kaominina ambanivohitr’Anki­li­zato, distrikan’i Mahabo, faritra Me­na­be, afakomaly. Na­lain’ny da­halo an-keriny teny an-trotroin-dreniny ny zazavavy iray taona sy tapany (zazakely mbola mi­nono). Dahalo enin-dahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no tompon’antoka tamin’ ity fakana an-keriny ity. Niditra an-keriny tao an-trano ireo dahalo. Samy tsy nanampo na inona na inona izy mivady tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo malaso. Tsy nisy resaka fa no­sintonin’ny iray tamin’ireo olon-dratsy teny an-trotroin-dreniny ilay zazakely. Tsy afa-nanoatra izy mivady manoloana izany. Tsy mbola fantatra hatreto ny toerana nitondran’ireo malaso ity za­zakely ity. Ranomaso, fi­taintainana no niainan’ireo ray aman-dreniny manoloana izao fanafihana niharo fakana an-keriny izao. Manoloana izao raharaha izao, nandray ny andraikiny avy hatrany ny eo anivon’ny fikambana­na Albi­nos Madagascar, tamin’ny alalan’ny filoha nasionaly, Soja Ful­gence. « Miantso ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana sy ireo tomponandraikitra eny ifotony voakasaika izahay mba hanao izay vita manoloana ity raharahara ity », hoy ny filohan’ny fikambanana. No­hamafisiny fa tsy hitazam-potsiny ny Albinos Madagascar fa ha­naraka akaiky satria tandindonin-doza ny ain’ireo olona ma­nana toe-tena varira sy tsy mba hiverenan’izao zavatra izao intsony. Ny zandary rahateo koa efa nanamafy fa tsy manana hery manokana, araka ny fieritreretan’ireo malaso azy, ny zaza manana toe-tena varira. Mitovy amin’ny olona rehetra ihany izy ireny fa tsy araka ny tsaho miely voizin’ny sasany.

J.C

Partager sur: