Hita taratra ny fanomanana nataon’ny mpandray anjara tsirairay sy ny ny tany amin’ny vondrona nisy azy avy. Avo lenta ary tena tsara raha ny kalitaon’ny seho atolotr’ireo mpandray anjara. Antenaina hihatsara hatrany anefa izany amin’ity anio ity.
Tontosaina anio, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana “Slam national” amin’ity taona 2023 ity. Mbola miatrika ity dingana ity avokoa ireo mpandray anjara 20, misolotena ny tanàna 10. Seho avo lenta tokoa ny eny an-toerana, raha tarafina tamin’ny dingana voalohany. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, efa manomboka voafehin’ny tanora malagasy ny “Slam-Poèsie”, ary tsy ny eto Antananarivo ihany fa efa mielimpatrana eto Madagasikara. Raha tsiahivina, ny tanànan’Antalaha no sambany vao nandray anjara amin’izao fifaninanana nasionaly izao.
Mizotra antsakany sy andavany, manerana ireo ivontoeran’ny kolontsaina maro samihafa eto Antananarivo ny “Slam national 14” amin’izao fotoana izao. Ny talata 26 septambra teo no nanatanterahana ny dingana voalohany, anio kosa, ny dingana faharoa, ary amin’ny sabotsy 30 septambra ny famaranana. Antananarivo, Antsirabe, Antsiranana, Antalaha, Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina, Tolagnaro, Toliara ary Sambava no nahatonga solontena hiatrika ny fifaninanana. Ireo tanàna ireo izay manana solontena roa avy. “Mahafinaritra ny mahita ny fivoaran’ny “Slam poèsie” eto Madagasikara sy ny hoaviny. Efa tena manana ny lentany ny mpiangaly Slam malagasy nefa tena mbola tanora avokoa”, hoy ny tomponandraikitra.
Ankoatra ny fampivelarana sy fampiroboroboana ity taranja ity, tanjona manokana amin’ity andiany faha 14 ity ny fanomezana sehatra manokana ny vehivavy, amin’ny fiangaliana ny Slam. Amin’ireo mpifaninana roapolo, roa amin’ireo ihany no vehivavy. Misy ny valandresaka sy atrikasa karakarain’ny tomponandraikitra entina manatratra izany vina izany.
Lin